Hipok’olona hatrany ny toerana rehetra nolalovan’i Lalao Ravalomanana hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra, nitety ny boriborintany faharoa indray omaly izy sy ireo mpiara-dia aminy ka anisan’izany ny teny Andohalo, Manjakamiadana, Ambohipotsy,Andohamandry ,Ambanidia…
.Nofaranana teny Ambohipo ny hetsika omaly hariva. Nanentana ny vahoaka teny an-toerana ny Atoa Marc Ravalomanana mba tsy hamaly ireo endrika fihantsiana maro ataon’ireo mpanenjika azy sy ny kandida tohanan’ny antoko tarihany eto Antananarivo Renivohitra. « Tsy anjarantsika ny mamaly ny fanenjehana » hoy i Dada.
Miato ny propagandy
Rtoa Lalao Ravalomanana kosa dia nanamafy omaly teny Ambohipo fa tsy izy velively no hanilikilika ny madinika, efa nambarany hatrany moa io nandritra ny fitsidihana nataony tamin’ny faritra maro ny maraina tontolo. « Hanorina tsena hahafahan’ny maro an’isa mivarotra am-pilaminana isika » hoy i Neny,ankoatra izay, nanamafy izy fa ny asa no tena manavànana azy fa tsy dia ny kabary loatra.Nisafidy ny hangingina fa tsy hanao propagandy maresaka be sy maredona amin’ity talata 21 jolay ity ny kandidan’ny TIM Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy ho fanajana ireo mpianatra miatrika ny fanadianana CEPE.zava-dehibe ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ny Tiako i Madagasikara ny fianarana sy fanabeazana ka izay no nisafidianana ny hamela ireo kilonga hiatrika am-pitoniana ny fanadinana CEPE anio tontolo andro.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.