Goavana dia goavana ny hetsika ! Nifanitsa-kitro ny olona teny Antanimenabe- Andohatapenaka omaly…
Coliseum 6 vao mety homby antsika hoy ny resaka teny an-toerana.Fombafomba sisa no ataon’ny amin’ny 31 jolay fa dia efa mazava ny voka-pifidianana, tsy misy adihevitra na resabe tokony atao intsony fa dia efa ben’ny tanàna i Neny Lalao Ravalomanana.Resy lahatra tanteraka amin’izany ny olona eto Antananarivo renivohitra mandinika tsara ny zava-misy sy indrindra ny nitranga nandritra izao fampielezan-kevitra izao.
Atokisan’ny mpamatsy vola
Nambaran’i Neny fa manana fandaharanasa matotra ka itokisan’ny mpamatsy vola izy,ho mora kokoa ny hahazo famatsiam-bola ilaina amin’ny fanatsarana sy fanarenana an’Antananarivo raha i Neny no voafidy ho ben’ny tanàna satria efa fantany ny fomba fiasa, nanamafy io resaka io ihany koa i Marc Ravalomanana izay nanatrika ny hetsika teny an-toerana.Anisan’ny mpiara-miasa sy mpamatsy vola voatonona teny Andohatapenaka ny banky iraisam-pirenena sy ny vondrona eoropeanina, izay efa fantatra hatry ny ela fa mahatoky an’i Marc Ravalomanana, azo hanaporofoana izany ny fitsidihana in-droa miantaona teny Faravohitra nataon’ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina miasa eto amintsika amin’izao fotoana.Ary mazava ho azy fa mahatoky an’i Lalao Ravalomanana ihany koa ireto mpamatsy vola ireto.Nanamarika tsara i Neny fa tsy hoe “propagandy” akory dia hampanantena zavatra tsy ho vita fa tena hanao tokoa ary hanampy azy betsaka amin’ny traikefa ananany ny vadiny; tsy misy ambadika politika akory ny nirotsahako ho kandida ben’ny tanàna fa tena fitiavana an’Antananarivo sy ny vahoaka monina ao aminy hoy Rtoa Lalao Ravalomanana.
Amboarina ny eny ambany tanàna
I Dada kosa raha nikabary omaly dia nanamafy fa tsy Neny irery no tohanany sy hanaovany propagandy fa ireo kandidà Ben’ny Tanàna TIM 1200 manerana an’i Madagasikara. Naveriny indray fa mila fitoniana ny firenena, tsy misy zavatra mandeha eto raha mikorontana isika ary tsy mahazo famatsiam-bola, hoy i Marc Ravalomanana.Nisy vola 45 tapitrisa euros tokony ho azontsika tamin’ny 2008 mba hanamboarana tanteraka ny Jirama saingy votsotra izany noho ny fisian’ny krizy, hoy izy. Tsy hadisoan’ny ny Jirama na ny mpiasa ao aminy ny delestazy, tsy hadisoan’ny mpanao lalana ny fahasimbana ,tsy hadisoan’ny mpiasa ao amin’ny « Air Madagascar » ny fatiantoka sy fahasahiranana fa tena tsy misy ny vola hanarenana ireo,hoy i Dada.Anisan’ny fanambarana lehibe teny Andohatapenaka ihany koa omaly ny filazana fa hijery ny fomba hanarenana sy hanatsaraina faran’izay haingana ny eny ambany tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana rahatrizay voafidy ho ben’ny tanànan’Iarivo izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.