Politique

Neny no ben’ny tanŕna Manomboka eto ny fandresena


  • Sabotsy 01 Aogositra 2015

Tsy misy adihevitra be atao intsony, mazava ny tarehimarika laharana voalohany ary nandresy tamin’ny fifidianana ben’ny tanŕna teto Antananarivo renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana.Raha ny vokatra vonjimaika halina no jerena dia manodidina ny 57% n’ny vato manankery no azon’ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara,

 

 efa nifety sy nikorana teny Faravohitra niaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy moa omaly alina ny ben’ny tanàna vaovao Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy noho izao fandresena lehibe izao.

Miasa miaraka

Lehibe ny elanelam-bato teo amin’i Lalao Ravalomanana sy ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy izay tafiditra laharana faharoa (30,9%), ary tena noporofoin’ny vahoakan’Antananarivo fa mila olona matotra sy efa hita fa nahavita zavatra izy fa tsy taitaitra amin’ireo rehetra mahay manentana sy mahay mikabary.Miverina tanteraka amin’ny heriny ankehitriny ny antoko TIM satria resiny teto amin’ny renivohitra ny antokon’ny fitondrana (HVM) nialokaloka tao ambadik’i Hery Rafalimanana sy ny vondrona Mapar izay nijapy ny kandidan’ny Freedom. « Hijery ny mponina aho, hijery ny tanàna aho. Hiasa miaraka isika saingy tsy maintsy asiana fitsipi-pifehezana " hoy i Lalao Ravalomanana omaly alina teny Faravohitra.  “Tsy jadona no atao fa fifehezan-tena no takiana amin’ny rehetra dia hanana tanàna mendrika sy vanona isika” hoy izy.I Neny izany no ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra manomboka izao ,Ben’ny tanàna vehivavy voafidim-bahoaka voalohany hitantana ny renivohitra ; efa niandraikitra io toerana io ny vadiny 16 taona lasa izay ary lasa filoham-pirenena avy eo.Ny soa iombonana no zava-dehibe, karohana ny fomba rehetra hanatsarana ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina, tsy maintsy miasa miaraka amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ny tanàna ary ilaina ny mpamatsy vola hahafahana manatanteraka ireo fandaharanasa.

Hiverina ny tantara ?

Tahaka izay no hamintinana ny foto-kevitra itondran-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny tanànan’Antananarivo renivohitra mandritra ny 4 taona, tsy andrakandrana ny ahy, hoy izy fa mahalala,mahay ary mahavita matoa nanolo-tena ho ben’ny tanàna ary mahatoky izany koa ny vahoaka matoa nifidy.Maro ireo mpamakafaka politika, eny fa na olon-tsotra aza mihevitra fa tahaka ny efa fambara zavatra izao fandresen’i Neny teto Antananarivo izao, ary efa re ihany indraindray amin’ny fomba firesaky ny filoha nasionalin’ny TIM fa vonona hanarina ny firenena izy sy ny antokony ; mby tonga ao an-tsaina avy hatrany ny tantara tamin’ny 1999 raha voafidy ho ben’ny tanàna i Marc Ravalomanana.Lasa filoham-pirenena izy roa taona taorian’io, ary niarahan’ny rehetra nahita ny asa goavana vitany teto.Mety hiverina ve ny tantara ?

RTT

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT