Politique

Neny Lalao Ravalomanana Voaasa ho any ivelany sahady !


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Ny fahavitan’ny latsa-bato tamin’ny 31 jolay 2015 no ela dia manao ranolava ny fiarahabana sy ny fanasana any ivelany tonga amin’i Neny Lalao Ravalomanana, kandidan’ny TIM voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra

 

. Tsy miandry ny fanambarana ofisialin’ny voka-pifidianana dia efa misokatra midanadana ho an’i Neny ankehitriny ny varavaran’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola taorian’iny vokatra miezinezina azony izy, ka nametrahan’ny vahoakan’Antananarivo fitokisana aminy. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny foibe fandrindrana ny fampielezan-keviny dia hiondrana any ivelany ato ho ato i Neny, ary mety hiara-dia aminy amin’izany ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana.

Vokatra avy hatrany

Maro, araka io loharanom-baovao io hatrany, ireo vonona hanome tanana an’ity vehivavy voalohany Ben’ny tanànan’Antananarivo ity, amin’ny fanatanterahana ireo sahan’asa valo lehibe nanaovany fanamby hampandrosoana an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy. Tsy nambara kosa hetreto hoe firenena iza avy no halehany amin’izay fivoahana any ivelany izay. Fa ny azo antoka dia ny hisian’ny vokatra avy hatrany. Mbola fiofanana momba ny asan’ny Ben’ny tanàna aza no nandehanany tany Alemaina, nandritra ny folo andro, talohan’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra efa nahita mpiara-miasa vonona hanome fitaovana ho an’ny fanadiovana izy, mainka fa izy hanana fahefana feno amin’ny maha mpitantana ny tanàna izao. Ny fandriampahalemana, ny fahadiovana ary ny sakafo moa no nasian’ity kandidan’ny Tiako I Madagasikara ity tsindrim-peo manokana tamin’ny fanehoan-keviny voalohany ny harivan’ny androm-pifidianana ny 31 jolay 2015 ka mety tsy hifanalavitra amin’ireo ny ho votoatin’ny diany any.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT