Tsena roa samy hafa no notsidihan’ny kandida Ravalomanana Lalao omaly tapak’andro maraina. Nanombohany izany ny teny amin’ny Esplanade Analakely.
Nitsidika sy niantsena teny amin’ireo mpivarotra eny Ambohijatovo ihany koa i Neny. Nandritra ireo fotoana ireo no niezahany niresaka sy nitafa tamin’izy ireo. Te halala bebe kokoa ny zava-misy iainan’ireo mpivarotra mantsy ny tenany ka tsy nisalasala nijery ifotony ny fiainan’ny mpivarotra andavanandro eto Antananarivo Renivohitra. Nanokana fotoana nihainoana ireo hetahetan’ny vahoaka tena maniry ny hiala amin’ny fahantrana ny tenany. Nanongilan-tsofina nandray ny tsikera, ny tsy mety, ny fanatsarana ho an’ity Renivohitry Madagasikara ity i Neny.Nisy ihany koa ny fiarahany nisakafo tamin’ireo zokiolona miisa 100 sy zaza sahirana miisa 100. Nanolotra bodofotsy mafana amin’izao andro mangatsiaka izao ho azy ireo moa avy eo i Neny Lalao Ravalomanana. . “ Tsy afaka miteny be loatra aloha aho amin’izao fa tiako hotsindriana fotsiny aminareo dia tonga aho manolotra anareo izao sakafo izao sy ireo bodofotsy ho marika sahady ny fiarahantsika miasa”, hoy izy.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.