Politique

Namoaka vokatra ny CENI-T Mitohy ny fandresena


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Namoaka vokatra vonjimaika ny sampana manokana isam-paritanin’Antananarivo omaly. Mbola mitarika ny kandidan’ny antoko TIM izay sady nahazo mpanolotsaina 31 ihany koa.

Nohamafisin’ny Ceni-T ny fandresena azon’i Neny Lalao Ravalomanana. Omaly no namoaka ny vokatra feno vonjimaika ho an’ny faritanin’Antananarivo ny rafitra manokana isam-paritra eo anivon’ny Ceni-T ho an’Antananarivo. Ny an’Antananarivo Renivohitra ary dia nandresy ny kandida laharana faha-6 natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara rehefa nahazo vato miisa 98 535 na 55,96% ny vato nanan-kery nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina teto Antananarivo Renivohitra. Efa ao amin’ny Lapan’ny tanàna ny tongotra ilan’i Neny Lalao Ravalomanana, miandry ny fanamafisan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana sisa ny ilan-tongony dia tonga amin’ny toerana handraisany ny asany hampandrosoana an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy i Neny.

 Eo amin’ny laharana faharoa Rakotondrazafy Lalatiana kandida natolotry ny Freedom nahazo vato 55 500 izay manome salanisa 31,52 %. Ho an’i Mamy Mamonjy Raharinavalona, mandateran’ny TIM dia efa mazava ny lalana. «Misaotra ny Ceni-T sy ny Prefektoran’ny polisy izahay ary misaotra indrindra ihany koa ny mpifidy. Ankehitriny dia Ben’ny tanànan’ny mponin’Antananarivo rehetra i Neny. Momba ny fitarainana napetraky ny Freedom indray dia manaja ny zon’ny mpifaninana aminay izahay sady matoky tanteraka ny fahendren’ny Fitsarana ihany koa”. Momba ny mpanolotsaina dia mahatratra 31 ny an’ny TIM, 17 ny an’ny Freedom, 2 avy kosa ny an’ny fikambanana Madavision nanolotra an’i Harilala Ramanantsoa sy ny fikambanana Iarivo Mitambatra nandrotsaka an’i Hery Rafalimanana izay notohanan’ny HVM ary mpanolotsaina iray isanisany ny an’ny Mpanohitra notarihin’i Lalatiana Ravololomanana sy ny an’ny antoko UNRRM tarihin-dRajerison Véronique ary ny an’ny Stand Up Tanà tarihin’i Andry Concept na Ranaivo Andry.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT