Nitondra fanazavana manokana mikasika ny PMP (Plateforme pour la majorité présidentielle) hivondronan’ireo solombavambahoaka teo aloha nanohana ny fitondrana sy ny NMP na ny “Nouvelle majorité
parlementaire” vao natsangana ny herinandro teo i Naivo Raholdina, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy omaly. Nambarany fa tsy mitovy ireo ka tsy tokony hafangaro. Ho an’ity farany manokana dia nambarany fa hivondronan’ireo solombavambahoaka maro an’isa avy amin’ny antoko maro samihafa tsy miaraka amin’ny fitondrana io fa tsy solon’ny PMP akory. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny pacte de responsabilité tokony hataon’izy ireo sy ny filoham-pirenena mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Ho an’i Naivo Raholdina dia ny fanaovan’ny filoha fifanarahana amin’ny lalàmpanorenana aloha no tokony hataony mba hahafahana manaja izany araka ny tokony ho izy izay vao hirosoana ny ambiny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.