Politique

Naivo Raholdina Samy hafa ny PMP sy ny NMP ka tsy tokony hampifangaroana


  • Talata 14 Jolay 2015

Nitondra fanazavana manokana mikasika ny PMP (Plateforme pour la majorité présidentielle) hivondronan’ireo solombavambahoaka teo aloha nanohana ny fitondrana sy ny NMP na ny “Nouvelle majorité

 

parlementaire” vao natsangana ny herinandro teo i Naivo Raholdina, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy omaly. Nambarany fa tsy mitovy ireo ka tsy tokony hafangaro. Ho an’ity farany manokana dia nambarany fa hivondronan’ireo  solombavambahoaka maro an’isa avy amin’ny antoko maro samihafa tsy miaraka amin’ny fitondrana io fa tsy solon’ny PMP akory. Ankoatra izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny pacte de responsabilité tokony hataon’izy ireo sy ny filoham-pirenena mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Ho an’i Naivo Raholdina dia ny fanaovan’ny filoha fifanarahana amin’ny lalàmpanorenana aloha no tokony hataony mba hahafahana manaja izany araka ny tokony ho izy izay vao hirosoana ny ambiny rehetra.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT