Politique

Mpitondra sy mpitolona Ady sarotra aravona


  • Talata 17 Jolay 2018

Efa nazava hatrany am-boalohany, raha mijery ny kabarin’ny praiminisitra vaovao, Ntsay Christian, hatramin’ny nandraisany fahefana fa tsy hamaha ny olan’ireo sendika marobe “mitolona” etsy sy eroa mihitsy akory no iraka nampanaovina azy fa ny hahatanteraka fifidianana.

 Samy miaiky na ireo mpampianatra, na mpandraharaham-panjakana na mpampianatra mpikaroka sy izay rehetra mitokona ankehitriny fa tsy mbola voavaly araka ny tokony ho izy mihitsy ny fangatahan’izy ireo na dia efa ho 4 volana aza izao no nitolomany. An-kilany anefa dia mitaky ny hampitsaharan’izy ireo ny fihetsiketsehany ny fitondram-panjakana nanomboka ny fiafaran’ny herinadro teo. Nangingina tokoa aloha taorian’izay ny sabotsy teo saingy tsy mbola nisy nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hampitsahatra ny fitakiany kosa anefa ireo nanao izany. Raha ny vaovao voaray farany, ohatra, dia mitohy hatrany ny tolon -dry zareo mpampianatra sy mpanabe manerana ny nosy. Raha aravona ny sary misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia miha miditra amina fifanandrinana mafimafy hatrany ny mpitondra sy ireo mpitolona eto Madagasikara. Miha miditra amina ady an-trano amin’ny endriny mangatsiaka saingy tsy misy tonga saina amin’izany fa ny mpitondra miziriziry amin’ny tsy maintsy hanatanterahana ny iraka nampanaovin’ny fianakaviambe iraisampirenena azy ary ireo sendika kosa azo antoka 90 isan-jato fa hampamangy raha tsy izao fotoana nosantarin’ny zava-nitranga ny 21 aprily izao no hihetsika faran’izay tratra mba hahazoana rariny amin’izay notakiana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT