Politique

Mpitondra malagasy Miharihary ny fitiavan-tseza tafahoatra


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Ny fiambenana ireo minisitera hiadidian’ireo minisitra HVM miisa 14 izay takiana alana amin’ny toerany indray izany izao no vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana Malagasy.

Raha tombanana hasiana mpitandro ny filaminana miisa 10 avy fotsiny ireo minisitera ireo dia efa mahatratra 140 farafahakeliny ireo mpitandro ny filaminana hiantsoroka izay. Tsy hilatsaka an-tsitrapo na hanao vy very ny ainy anefa ireto « tandroka aron’ny vozona » fa tsy maintsy ombam-pitaovana mahery vaika sy famatsiana sahaza na ara-bola io na ara-tsakafo. Famatsiana izay alaina amin’ny volam-bahoaka ihany. Etsy an-daniny dia mirongatra ihany ny fanafihana amin’ireo lalam-pirenena, raha ny tatitra voarain’ny mpanao gazety avy amin’ny fiadidiana ny zandarimaria isan’andro. Lasibatr’izany avokoa na ny mponina an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, indrindra, moa fa ireo tantsaha sy mpamboly izay tena ain’ny firenena. Ny fakana an-keriny moa tsy lazaina intsony. Dia tsy mba hisy hahatsapa tena ka handray fanapahan-kevitra am-pahendrena toy ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha, Gervais Rakotoarimanana, mihitsy ve na ny iray aza ireto mpitondra malagasy efa miharihary ho naloan’ny vahoaka ireto kanefa dia tao no nitondrana sora-baventy sy norakorahana tamin’ny namindra fahefana ? Ny minisitra vaovao sasany aza voatery namindra fahefana an-tsokosoko mamatonalina mihitsy.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT