Politique

Mpitolon’ny 13 mey Nankalazaina teo an-kianja ny fetim-pirenena


  • Alarobia 27 Jona 2018

Fety aman-danonana no nentin’ny mpitari-tolona sy ny vahoakan’ny 13 mey nanamarihana ny asaramanitra dia ny fetim-pirenena nanomboka ny tolakandron’ny alatsinainy 25 jona teo.

Samy tonga navitrika teny an-toerana na ireo mpitarika na ny vahoaka, ka niavaka tanteraka tamin’ny fahita teny an-kianja andavanandro no niseho. Mpitolona feno hafaliana miaraka amin’ny fianakaviana sy ankohonana ny ankabeazany. Tsy nisy ny kabary politika fa fiaraha-mifaly tamin’ny alalan’ny “zumba” no nisy, ka samy nanao izay ho afany na ny vahoaka na ny mpitari-tolona. Voahaja ny maha fety azy, ka natsahatra kely aloha ny teny mahery ho mariky ny fitoniana sy ny fanajana ary ny fanomezam-boninahitra izay antsoina hoe fahaleovantena mariky ny fiandrianam-pirenena. Nafana tanteraka teny an-kianja ary samy naneho ny hafaliany noho ny fetin’ny fahaleovantena ny rehetra, ary miombom-po hatrany ihany koa anefa amin’ny hoe mbola misy ny tolona iaraha-manao, izay mbola tsy vita. Raha tsy misy ny fiovana, dia hitohy sy hihamafy hatrany ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey mba hahatongavana amin’ny fanamby nimatimatesana, dia ny hisian’ny fiovana. Mipetraka hatrany ny fitakiana ny fialan’ireo minisitra HVM ao anaty governemanta, ny fandravana ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI mba hisian’ny fifampatokisana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara, ny famahana ireo olana sendikaly samihafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT