Matoa isika nijanona eto amin’ny 13 mey dia tsy mbola vita ny tolona, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly.
Depiote TIM ho an’ny fanovana izy izao, ary tsy mitsoaka ady isika fa manao izay zavatra rehetra hampandresena ny tolona. Ny depiote dia manao fitakiana politika, ary ny sendika manao fitakiana sendikaly, ka dia mifanohana isika, hoy izy niantso ny rehetra tsy ho kivy. Nisy ny zavatra maro be, ary tsy vita ny hoe: “miala Rajao izao dia izao” niarahana, fa rehefa nisy ny nitsoa-pahana dia ny “miala” sisa no nambarany, fa ilay izao dia izao tsy nisy intsony, hoy io depiote io. Ny seza no hampizarazana antsika ka rariny izahay raha tsy nanaiky izany, fa raha izay no nekena efa tapitra ny tolona, hoy izy. Tsy izay ilay fomba fisainana fa ny hoe ahoana ny hahatafitana ny tolona ?. Toromarika nataony ny hoe : isika tsy maintsy mijoro na iza mamendrofendro na iza manao tsindry. Nambarany moa fa misy ny fanambazana na ara-bola na zavatra hafa hatramin’izao amin’ny hoe: inona no homena anao, ary inona no tambiny fa hajanony amin’izao io ? Fitiavana ny vahoaka sy ny firenena no mbola antony hijoroana na eo aza ny fanambazana samihafa, hoy ny setriny na dia teo aza ny mety ho nametrahana azy ho praiminisitra lefitra na toerana hafa, saingy nolaviny. Anio dia hiatrika ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny tetibola ireo depiote, ka nambaran’ny eny an-kianja fa miankina amin’ny fisian’ny fanitsiana mifanaraka amin’ny fitakiam-bahoaka na tsia no hampandaniana na handavana izany. Noho ity toe-draharaha mafana eny amin’ny antenimiera anio ity, dia amin’ny sabotsy vao hiverina eo an-kianja ny mpitolona, ka miantso ny rehetra hanohy izany ny mpitarika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.