Manao izay ho afany ny fanjakana amin’ny fanasongadinana ny kandidŕn’ny HVM amin’izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao. Mitady izay fomba rehetra hanehoana fa miasa ny mpitondra ary manao ny famaliana ny hetahetan’ny vahoaka
. Etsy an-daniny, anaovan’ny fanjakana ao Antsirabe atsojay ny kandidà iray, izay mpitantana teo aloha. Anisan’izany ny fanodinkodinana fitaovana maro samihafa toy ny fanamboaran-dalana, ny fampiasam-bola tsy araka ny tokony ho izy, izay nanaovana zavatra hafa nitentina 98 tapitrisa Ariary izany. Raha ny re dia saika ho isan’andro ny fanadihadiana ataon’ny Bianco sy ireo sampandraharaha hafa amin’ity tompon’andraikitra teo aloha ity amin’izao fotoana. Efa nisy ny fitaovana sasany nalain’ny lehiben’ny faritra amin’izao fotoana tany aminy, izay nambaran’ity farany fa mbola be dia be ny zavatra hitranga ato ho ato raha ny antontan-taratasy eo am-pelatanany. Nohitsian’ny lehiben’ny faritra amin’izao fotoana fa tsy ny mpitondra teo aloha izay nagalatra ana miliara indray no hividy arivo na roarivo, iray alina Ariary ny lehiben’ny fokontany amin’izao fotoana rehefa hilatsaka hofidiana. Re moa amin’izao fotoana fa mety hosamborina mandritra ny fampielezan-kevitra mihitsy ity kandidà iray mpitondra teo aloha ity, miaraka amin’ny fanamafisam-peo novidian’ity tompon’andraikitra ity nandritra ny fitantanany an’i Vakinankaratra.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.