Politique

Mpankato fanorenana ifotony Haneho ny heriny anio


  • Zoma 06 Jolay 2018

Hifampitaona etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina avokoa, anio ireo vovonana, fikambanana, antoko politika sy izay heverina ho mpankato ny hanatontosana ny fanorenana ifotony rehetra mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.

Araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Malagasy Manarina Firenena (VMMF), Faniry Razafimanantany dia io fotoana io no hamaliana ny fanontaniana rehetra nanitikitika ny olom-pirenena na tany anaty tambajotra sosialy na haino aman-jery ka tsy nahafa-po azy. Hisy adihevitra sy fanapahan-kevitra ihany koa anefa havoaka mialoha ny hirosoana amina dingana hafa manaraka, hoy hatrany izy. Isaorana ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny prefe, hoy izy, nanome ny alalana. Maro ireo fikambanana sy vovonana ho avy, toy ny Madagasikara vaovao sy ny Vahoaka ihany. Mpiara-miombon’antoka manokana, hoy izy ny HFI (Hetsika Fanorenana Ifotony).

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT