Politique

Mpanao politika sy mpitondra Miezaka manary dia amin’ny fihetsiketsehana sy tapi-maso


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Ny sasany mampifalifaly vahoaka amin’ny fampiderana fa mahay milalao fonjaby rehefa nandalo tao Mahajanga.

Ny sasany indray mampidera fa midina ifotony hatrany anaty ranomasina mihitsy, hono, hijery fa vitsy dia vitsy sisa  ny karazana hazan-drano sasany hitany tao ka dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Izy manao ilay antso avo ve tsy anisan’ny tompon’andraikitra ? Ny filoham-pirenena moa dia mbola manohy ny fanaony izay efa saika nampiongotra azy tamin’ny toerany ihany miaraka amin’ny fotodrafitrasa fototra tsy mety mampitombo ny any am-bilanim-bahoaka. Mbola mikatso ihany anefa ny fampianarana sy ny fampidiran-ketra. Mitohy ny tsy fandriampahalemana ary faritra nalaza ho nafana tato ho ato toa an’i Malaimbato sy Antsirabe ary Mandoto. Heverina ho zava-doza izany mpampianatra amina CEG no misy maka an-keriny kanefa toa tsy mampihetsi-bolomaso ny “tompon’andraikitra” akory. Miezaka manary dia amin’ny fihetsiketsehana sy tapi-maso ny mpanao politika sy ny mpitondra satria vao mainka mikatso ny raharaham-pirenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT