Nangingina izy ireo tato ho ato ary sarotra ny hino fa fifanandrifian-javatra ny fifanojoan’izany tamin’ny fiafaran’ny tolon’ny fanovana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Ireo mpanao politika sasany izay tsy mipoitra raha tsy anaty vanim-potoanan’ny krizy na mandindona krizy no tian-kambara. Izay tokoa angaha no tonga amin’ilay fitenenana hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra satria dia mbola hita ho tsy miova ihany hatramin’izao ny fomba amam-panaon’izy ireny. Maneho hevitra etsy sy eroa mody mandamina sy manolotra vahaolana. Rehefa tena zohiana anefa ny fikaonan-doha izay tarihina sy karakarain’izy ireo dia vao mainka mitondra ho any amin’ny korontana ary fitadiavan-tseza no tena imasoany. Tsy olom-baovao ihany izy ireny amin’ny ankapobeny fa efa teo foana saingy tsy nety naharesy lahatra ny maro. Ny ronono an-tavy entiny ve no vakiana fotsiny araka ny fitenin-jatovo sa ilay loha maha mpitarika azy ireo mihitsy no tsy mety tazana eny aminy ? Anjaran’izy ireny no mandini-tena sy mijery izay tena tokony hataony amin’ny firenena amin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.