Velom-panantenana ny vahoakan’i Moramanga fa izay ho tonga ny tena fampandrosoana taorian’ny nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana
nanolotra sy niara-nihosona nanao fampielezan-kevitra nitety tanàna niaraka tamin’ny kandida Ben’ny tanànan’ny Tiako i Madagasikara, Dr Aurélie. Efa tsy zoviana amin’i Moramanga ity farany tamin’ireo asa fampandrosoana maro efa nataony ary hotohizany. Manana fandaharanasa mazava sy afaka tanterahana avy hatrany hampandrosoana an’i Moramanga sy ny mponina ao aminy izy. Manohana azy amin’izany Atoa Marc Ravalomanana, ka nilazan’ity farany fa «Dr Aurélie no izy», ka niantsoany ny vahoakan’i Moramanga tsy vakivolo hanohana sy hatoky azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.