Politique

Mokhtar Salim Andriantomanga “Tsy nivarotra ny safidim-bahoaka tamin’ny HVM aho”


  • Talata 18 Aogositra 2015

Saika nitovy tamin’ny tany amin’ny faritra hafa ihany tamin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fifidianana kaominaly tany amin’ny distrikan’i Mahajanga I

 

, araka ny nambaran’ny kandidà Mokhtar Salim Andriantomanga natolotry ny firohotana Mapar. Nambarany kosa fa nampiavaka azy ireo ny fanabeazana hatrany ny vahoaka hatrany am-boalohany ka hatramin’ny andron’ny fandatsaham-bato. Ka raha vao naheno siosio izahay, ny amin’ny mety hisian’ny fikononkononana fangalaram-bato amin’ny alalan’ny fampiasana kara-pifidianana an’olon-kafa maromaro ka nampitandremana ny vahoaka hoe mailo fa mampigadra hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ny fampiasana izany karatra izany. Dia be tokoa ny nihemotra noho izany fanentanana izany. Eto ny tenako dia manambara mazava sady mamaly ny fanambaran’ny namana an-gazety, hoy Atoa Mokhtar Salim, fa tsy nivarotra velively ny safidim-bahoaka nametraka fitokisana tamin’ny fifidianana ny tenako  tamin’ny kandidà HVM izany aho ary tsy hanao izany velively mihitsy. Miantso marindrano ny vahoakan’i Mahajanga manontolo aho eto mba tsy handairan’ny fanelezana vaovao tsy marina tahaka ireny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT