Manoloana ny fametraham-pialan`i Paul Rabary tsy ho mpikamban’ny birao maharitry ny HVM`intsony dia samy naneho ny heviny ireo mpikambana ao anatin`ny antoko Hery Vaovao an`I Madagasikara.
Safidiny izany ary tsy nisy nanery azy, hoy ny filoha nasionalin`ny antoko, Rivo Rakotovao. Ny minisitry ny asa vaventy, Ulrich Andriantiana kosa dia nilaza fa malahelo satria mpiara-mikatroka i Paul Rabary ka naninona rehefa tsy ao anatin`ny governemanta dia niala ? Notsindriany fa roa taona ny tenany no tsy tao anatin`ny governemanta kanefa tsy niala tao anatin`ny antoko. Tsy mety izany raha ny fametrahana etika politika izay fanovàna amin`ny lafiny politika. Mety manana ny antony manokana izy saingy azy izany. Raha zohiana, tao anatin`ny efa-taona dia anisan`ireo niaro fatratra ny antoko HVM i Paul Rabary saingy rehefa tsy voatendry ho mpikambana ao anatin`ny governemanta Ntsay dia niala tamin`ny antoko nisy azy. Hita taratra fa tsy misy manana fototra ara-politika ny antoko satria saika mersenera avokoa no tena nandrafitra an`io antoko io. Nanaraka ny dian`i Claudine Razaimamonjy, Jaona Elite, Rakotomalala Henri na “Riribe”, … Hafahafa tokoa ny fanaovana politika eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.