Miha-mazava ankehitriny ny amin’ilay 94% nambara fa vokatra azo nandritra ny 100 andron’ny governemanta. Miofo tsikelikely ho HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasika) ireo mpikamban’ny governemanta Jean Ravelonarivo
. Raha io antontanisa io dia 16% amin’ireo minisitra vitsy sisa tsy HVM. Mety ho eo niova angamba taorian’ny tenin’ny filoha nasionalin’ny antoko Rivo Rakotovao iray andro nialoha ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra manilika ireo tsy hiaraka amin’izy ireo. Dia io tokoa ary. Raha nisy nilokaloka fa tsy olon’antoko izy raha niditra ao anaty governemanta dia ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy Onitiana Realy. Taorian’ny 100 andron’ny governemanta, io izy fa nipoitra ary lohalaharana mitarika ny fampielezan-kevitry ny antoko HVM tany atsimon’ny Nosy tany. Azo antoka fa tsy kisendraserandra izany fa tena faharesen-dahatra matoa nijoroany.
Ra-Bri
Ragasy : Ny vava no tsy atao betsaka anie ka ny hamerenana azy no tsy laitra e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.