Maro ireo fanamarihana nentin’ny sekretera jeneralin’ny KmF/Cnoe Raharisoamalala Patricia momba ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly, indrindra ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao fotoana izao.
Anisan’izany ny mikasika ireo kara-pifidianana tsy tonga eny amin’ireo tompony nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny volana desambra 2013 ka mivangongo eny amin’ireo biraom-pokontany tamin’ny fidinana ifotony nataon’ireo mpikambana. Mampanahy ity fikambanana misahana ny fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana ity ny resaka mandeha ny ahatongavan’izy ireo eny am-pelatanan’ireo andian’olona voasokajy ho mpikaraman’ady ka handiso ny voka-pifidianana aorian’ny 31 jolay 2015. Eo ihany koa ny siosion-dresaka ny amin’ny fisian’ny biletà tokana efa misy marika na ny fividianana ny safidin’ny olom-pirenena tahaka ny nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Fandikan-dalàna tsotra izao ilay didim-panjakana manome alalana ireo minisitra hanao propagandy amin’ny fampiasan’izy ireo ny volam-bahoaka miaraka amin’ny fitaovam-panjakana, hoy ihany ny Kmf/ Cnoe ka mila foanana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.