Politique

Minisitra HVM very toerana Tsara raha nanao toa an’i Herizo Razafimahaleo, hoy i Maharante


  • Zoma 27 Jolay 2018

Nambaran’i Paul Rabary fa antony nialany tao anatin’ny HVM ny ekolazy alaina rehefa hanao hetsika io antoko io.

  Izaho manokana, tsy HVM fa kosa manatanteraka ny politikam-pampandrosoana napetraky ny filoha izay lany tamin’ny anaran’ny HVM, hoy kosa ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Maharante Jean de Dieu, raha nalaina ny heviny. Misy zavatra hatao ka tsy zakan’ny antoko dia iangaviana satria aterokalao ny fiainana, ka tsy hitako izay olan’i Paul Rabary amin’izany, ary mandainga ianao raha tsy misy tombontsoa azonao tao fa mba tadiavina ihany koa ianao, ary io tsy terena fa izay foinao sy tratranao, raha ny nambarany. Tsy tiako raha izaho no nesorina minisitra dia lasa tahaka ireny, hoy izy. Metimety kokoa ny nataon’Itompokolahy Herizo Razafimahaleo hoe : niaraka tamin-dRatsiraka izy, kanefa nisy zavatra tsapany sy hitany fa tsy mety, dia nametra-pialana izy, hoy ity minisitra ity. Izay no zavatra nataoko tamin’i Andry Rajoelina hoe tsy nifanaraka satria aminy dia tsy mety ny hoe olona notohanana, dia hotoherina tampoka vetivety eo fa andao hiara-kiasa, fa apetraka ny fepetra rehetra, ka rehefa tena tsy mety amintsika dia mametra-pialana isika, hoy ny fanazavany. Mikasika ny toe-draharaha politika, toy ny fisian’ny fitakiana tsy hisian’ny fifidianana, ekena fa mety tsy vahaolana ny fifidianana, fa kosa mba tsy mitondra antsika any amin’ny gaboraraka, raha ny nambarany. Raha izaho manokana, dia aleo alefa ny fifidianana, fa kosa izay lany eo dia terena hanao ny fanorenana ifotony, izay vao manohy fe-potoam-piasana, hoy hatrany ity minisitra sady mpahay lalàna ity.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT