Tany amin’ny Fjkm Miantsoarivo Fanantenana – Arivonimamo no nisafidy ny hivavaka omaly alahady Atoa Marc Ravalomanana sy ny vady aman-janany.
Amin’ity 2018 ity moa no mankalaza ny faha-30 taona nitsanganany ny feon’anjomara fanantenana na ny antoko mpihira ao amin’ny sampana tanora Kristianina ao amin’ity fitandremana ity. Tonga tany an-toerana amin’ny maha filohan’ny komitin’ny jaobily faha-50 taonan’ny Fjkm Atoa Marc Ravalomanana. Faly tena faly aho afaka miara-mivavaka sy misaotra an’Andriamanitra miaraka aminareo sy ny fianakaviako, hoy i Marc Ravalomanana. Hitany maso ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fivezivezena any amin’iny faritra iny noho ny faharatsian’ny lalana. Koa dia nanambara izy fa handefa fitaovana sy fiara vaventy hanamboatra ny lalana. Notsipihany mazava anefa fa tsy resaka propagandy sanatria no atao fa tena hita hoe miady irery tsy misy mpanampy ny mponina any an-toerana koa dia tonga manampy aho, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy ho ela dia ho tonga any an-toerana izany fitaovana izany. Ao anatin’ny fanitarana ihany koa ny Fjkm Miantsoarivo Fanantenana amin’izao fotoana, lehibe ny asa ka nanome toky Atoa Marc Ravalomanana fa hanampy ka hisy sahady amin’ity herinandro ity ireo fitaovana ho tonga any an-toerana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.