Tsy takona afenina intsony fa efa tena marary ny fitondrana HVM. tsikaritra izany amin’ny fiovan’ny firesak’ireo mpanentana sasany anaty haino aman-jery sy ny zavatra hita amin’ny tambajotran-tserasera sasany nosokajiana fa mpomba ny fitondrana.
Niova tokoa angamba ny fitsoky ny rivotra ka samy mba nijery izay tsy hahafaty azy ny tsirairay.
Ny talata lasa teo no nandrenesana fa nanomboka niala tamin’ny filoha Rajaonarimampianina ireo mpisehatra amin’ny serasera mpanohana azy hatramin’izay. Rehefa nojerena sy nohamarinina tokoa dia nihena be ny fanehoan-kevitra manohana ny fitondrana HVM tany anaty facebook sy tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina isa-maraina amin’ireo onjampeo eto an-drenivohitra.
Ny takarivan’ny alarobia avy eo no nivoaka ny resaka fa anisan’ireo niala tsy ho mpanohana ny filoha Rajaonarimampianina intsony i Mbola Rajaonah, izay mpanolotsaina manokana anisan’ny tena to teny tao an-dapa tao anatin’ny 4 taona izao ary tazana foana teo anilan’ny filoha.
Re fa henjana ny fifamaliana teo amin’ireo samy lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM sy mpanohana ny filoham-pirenena ka niafara tamin’ny tsotsori-mamba isarahana izany. Etsy an-kilan’izay, efa fambara zavatra ilay fametraham-pialan’ny depiote Jaona Elite tsy ho filohan’ny vondrona parlemantera HVM intsony, ary nivoaka ny feo avy eo fa efa niova hevitra ihany koa ny 80%-n’ireo solombavambahoaka 79 mianadahy nambara fa manohana ny fitondrana.
Fehiny dia miha marefo hatrany ny fahefan’ny filoham-pirenena ary na dia ireo olona tena akaiky azy aza dia efa maro no nisintaka taminy rehefa nahatsapa fa matanjaka ny tolom-bahoaka miainga eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ary raha ny tantaram-pirenena no dinihana dia tsy mbola nisy fitondram-panjakana naharesy ny hetsika teny amin’ny 13 mey izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.