Iza no hahazo tombony amin’ity marimaritra irasaina tamin’ny fifanarahana politika vita sy governemanta vaovao ity ? Fanontaniana mipetraka io manoloana ny tolon’ny fiovana niandoha tamin’ny 21 aprily teo ary efa manomboka mifaramparana ankehitriny etsy Analakely ity. Noventesina tany am-piandohana ny hoe “Miala Rajao !”
sy ny hoe “Tsy mila mandray baiko avy any ivelany”. Tankina kosa ny rehetra taty amin’ny faramparany taty rehefa nanambara ny depiote Mapar, Tinoka Roberto fa tsy maintsy manaraka izay tenenin’ny vondrona iraisam-pirenena. Tafatsangana ny governemanta ankehitriny ka asa na mbola hotazonin’ireo depiote 73 ilay teny nomen’izy ireo hoe “tsy mila HVM intsony”. Raha ny fanadihadiana natao teny an-kianja omaly dia tsy misy mankato io governemanta vaovao io ny ankamaroan’ireo vahoaka nanontaniana. Izao tokoa ve ilay fanovana notadiavina sa ireto depiote ireto no te hiova seza ? Iza no hahazo tombony ? Ny HVM sa Mapar sa TIM sa kosa ny fianakaviambe iraisampirenena ? Ho hita anaty karatra ve ny vahoaka ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.