Fahombiazana tanteraka ny dian’i Marc Ravalomanana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny faran’ny herinandro teo. Vahoaka ana hetsiny raha hatambatra no nihoby sy naneho ny hafaliany noho ny fandalovany nanomboka tao Moramanga, Andaingo, Ambodirano, Ambatondrazaka …
Anton-diany voalohany ny fanotronana sy fanatrehana ny tsenabe Tangorona nandritra ny 4 andro tao Ambatondrazaka nifarana omaly satria anisan’ny nandray anjara tao ny orinasa Tiko. Nosakanana tsy hitsidika tranoheva afa tsy ny an’ny Tiko izy ary ny zandary mihitsy no nibahana fa rehefa nitabataba ny vahoaka nanampy azy sy tsy nankasitraka ny sakantsakana, dia tafiditra ihany i Marc Ravalomanana.Mahatoky ny Malagasy hiaro azy sy hiara-kiasa aminy i Dadavalo ary namerimberina hatrany fa tsy maintsy mifanohana sy mifanome tanana ny Malagasy raha te handresy ny fahantrana. Mankahery ny rehetra hiasa sy hamokatra hatrany, hoy izy, nandritra ny fijerena ireo vokatra ifotony naranty. Tohizo fa tsara, voaray ihany koa ny hetahetanareo, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy nijanona tao Ambatondrazaka Renivohitra fa nidina tamina toerana maromaro tao Alaotra. Faly aho tena faly mihaona aminareo eto Morarano Chrome, henoko ny hetahetanareo, betsaka ny fanantenana fa matokisa ahy ianareo, ary aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, hoy izy. Tao Amparafaravola moa dia gaga aho rehefa nijanona eraky ny lalana nankaty iny fa dia mitovy daholo ny fitarainanareo momba ny asan-dahalo. Haiko tsara ny fitaintainanareo, hitondra vahaolana maharitra isika fa mila mifampatoky tsara, hoy i Marc Ravalomanana. Somary niavaka ny tao Bejofo satria nisy ny fanolorana nofon-kena mitam-pihavanana ho mariky ny fifankatiavana niarahana tamin’ny vahoaka, ka nilazany fa tsy maintsy misakafo ary salama vao afaka mampandroso, ka atao vaindohan-draharaha ny sosialim-bahoaka. Tsy nisy mpanakanto malaza na fanentanana samihafa na koa fizaram-bola toy ny fanaon’ny sasany fa dia noho ny fitiavana sy ny fahitana fa nahavita sy mbola hahavita be i Marc Ravalomanana no antony nahavory ny olona, ary tsy misalasala milaza ny hetahetany. Mandany vola ny olona mamonjy ny toerana misy azy, fa tsy taterina amin’ny fiara toy ny an’ny sasany. Tadiavin’ny vahoaka, ary tena kandidam-bahoaka, ka ny fingampingana sy ny kajy politika maloto no mety ho sakana. Matoa ny olona miantso vonjy sy fanampiana dia fantany izany fa afaka hamonjy sy hanampy azy ianao ary tena zava-dehibe ny fifampatokisana, hoy i Dadavalo tany Alaotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.