Politique

Marc Ravalomanana «Mila sahy isika»


  • Zoma 24 Jolay 2015

Tsy mipetrapetraka izany fa dia manohy isan’andro ny fitetezam-paritra ataony Atoa Marc Ravalomanana ho fanentanana ny olona hifidy ny kandida atolotry ny TIM, satria izay no antoky ny fampandrosoana ifotony

 

.Vao maraina tamin’ny 8 izy omaly dia efa tany Mahajanga izy. nitodi-doha tany Maintirano avy eo, nihaona mivantana tamin’ny vahoaka tao amin’ny renivohitr’i Melaky i Dada, toerana izay manankarena tokoa satria tsy lavitra eo no misy ny fitrandrahana solika. Hita fa sahirana anefa ny mponina any an-toerana. Afaka miasa miaraka mandresy ny fahantrana isika hoy i Marc Ravalomanana.

Sahy tanteraka

Vita ny tao amin’ny faritr’i Melaky dia nihazo ny faritra Alaotra Mangoro indray ny filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara ka nihaona tamin’ny vahoakan’Ambatondrazaka. «Mila sahy isika» hoy i Marc Ravalomanana tany Ambatondrazaka raha niresaka tamin’ireo vahoaka maro be izy. «Vonona ary sahy aho matoa mijoro eto» hoy i Dada. Hita ho tena faly sy ravo ny olona nihaona tamin’i Marc Ravalomanana. Nifanitsa-kitro ny tao Ambato, i Dada rahateo hita fa tena mbola vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny Malagasy sy ny fanavotana ity firenena ity. Mila manaraka fitsipika hoy izy raha te hampandroso ny faritra iray, Ilaina hoy izy ny fahasahiana eo amin’ny fanatanterahana zavatra iray. Nohantitranteriny fa vonona hampandroso ny faritra Alaotra ny tenany. Natolotra nandritra io fotoana io ireo kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ilafy, Ambohiboromanga, Sub Urbaine sns…

Ireo kandida Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina TIM nandritra ny kongresin’ny antoko natao teny Tanjombato no nangataka fa mba mila mitsidika ireo Kaominina misy azy ireo manerana ny Nosy i Dada satria mangetaheta te hihaona aminy ny vahoaka, dia io tanterahany io ilay izy satria sarobidy loatra aminy ny vahoaka malagasy. «Tena tsy azoko ekena hoe miaina anaty fahantrana tahaka izao ny Malagasy toa ahy» hoy i Marc Ravalomanana, ary tsy maintsy mitady vahaolana isika.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT