Niezaka mafy nanao serasera matanjaka mba hanakonana ny dian’i Marc Ravalomanana tany atsimo sy ny fikarakaran’ny TIM kongresim-paritra ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy saingy tsy nahasakana ny firodorodon’ny vahoaka hihaona sy hiresaka amin’ity filoha teo aloha ity izany
Herinandro teo ho eo no nivezivezy tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny i Dada niainga teto Antananarivo nandalo an’Ambatolampy, Antsirabe, Fianarantsoa, Ihosy, Ihorombe. Tomefy olona hatrany ny toerana nandalovany ary maro be ireo malagasy niresaka mivantana taminy. Tsotra ny hafatra avy aminy, antoko lehibe, matanjaka ary iray tsy mivaky ny Tiako i Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fifidianana kaominaly ary vonona ny hitondra ny fahaizany sy ny traikefany ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mijanona eo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny fihetsehan’ny TIM fa hiitatra amin’ny fifidianana rehetra izay ho avy manaraka eo.
Matanjaka
Fantatry ny maro fa matanjaka i Marc Ravalomanana. Tsy miafina amin’ny rehetra fa mihodinkodina am-pitoerana ny fitondran’ny HVM, tsy marin-toerana, tsy mahavita asa mivaingana, lany andro manao vava be etsy sy eroa ary malemy fototra ara-politika. Na ireo nanohana azy tamin’ny 2013 aza toa efa manohitra azy indray ankehitriny. Izany no mahatonga ny maro hiteny fa hanova tanteraka ny fifandanjan-kery politika eto Madagasikara ny vokatry ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy amin’ny 31 jolay io, ary efa mandeha ny tombantombana fa hivoaka ho mpandresy amin’io ny TIM ary hivoaka sempotra kosa ny HVM. Ny dikan’izany dia hitombo ny lanja politikan’i Marc Ravalomanana, izay hita fa tena mbola mamy hoditra eo amin’ny vahoaka no sady atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena ka noho izany dia mety ho anisan’ireo kandida tsara toerana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hokarakaraina afaka 3 taona. Marc Ravalomanana izay efa nanamafy fa tsy hoe nipetra-potsiny izy nandritra ny 6 taona niainany tany Afrika Atsimo fa nianatra sy nandalim-pahaizana ary nikaroka ny fomba rehetra hahafahana mampandroso an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.