Mitsidika ny ilany andrefan’ny nosy iny nanomboka ny faran’ny herinandro teo Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny ary mpanara-dia azy ireo vitsivitsy
. Nivavaka tao Andohagara, Fjkm Befetaga Famonjena any amin’ny 10 km avaratr’i Mahajanga izy ireo omaly alahady. Afaka nihaona sy niresaka tamin’ny mponina tany an-toerana ihany koa nifanakalo hevitra. Hita izao fa tena nanatanteraka ilay teniny tokoa Atoa Ravalomanana, dia ilay hoe : atokako hanasoavana ny fireneko sy andro sisa iainako. Tsy amin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra ihany no mitsidika faritra sy mihaona amin’ny vahoaka ity filoha teo aloha ity fa amin’ny fotoana rehetra hahafahany manao izany. Izy izay efa nitantana an’i Madagasikara nandritra ny 7 taona ka mahafantatra tsara ny zava-misy eto. Fantany tsara ihany koa ny mangirifiry ny malagasy hatramin’izay nisian’ny krizy tamin’ny 2009 izay. Naverimberin’i Marc Ravalomanana tamin’ny toerana rehera notsidihany fa ilaina ny miasa miaraka ary manana ny hevitra sy ny paikady hampandrosoana an’i Madagasikara izy.
Nandalina sy nikaroka
Afaka niaina milamina tany ivelany Atoa Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany saingy nisafidy mihitsy ny hiverina eto Madagasikara satria nahatsiaro fa tena mbola manana adidy amin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Nianatra, nandalina, nifampiresaka tamina manampahaizana sy mpandraharaha maro aho nandritra ny fotoana nipetrahako tany ivelany, hoy ity filoha teo aloha ity ary maro be ny zavatra azo atao tsara eto amintsika mba hanatsara ny fiainan’ny Malagasy sy hampivoatra an’i Madagasikara.Tsara ho fantatra ihany koa fa nanampy firenena afrikanina maro amin’ny fandrafetana ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny politikam-pampandrosoana i Marc Ravalomanana fony izy sesitany ka anisan’izany i Tanzania sy Afrika atsimo, firenena 2 anisan’ny goavana sy matanjaka aty Afrika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.