Mitety ny Faritra SAVA, DIANA ary Sofia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hatry ny omaly. Tao Antalaha, Sambava, Ambilobe izy sy ny delegasiona avy amin’ny birao politika nasionalin’ny Tiako I Madagasikara tarihiny manolotra ireo kandidan’ny antoko amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy
mpanolotsaina sady manatevina ny fampielezan-kevitra. Tokony ho nitohy tao Antsiranana ny dian’izy ireo io omaly io saingy efa tratra hariva nefa tsy misy jiro ny toeram-piantsonan’ny fiaramanidina ao Arrachart ka niazo avy hatrany an’i Nosy-Be izy ireo. Hitohy ao an-toerana ny fampielezan-kevitra hataony avy hiazo an’Antsohihy. Ny tolakandro no hamonjy an’Antsiranana izy ireo. Desambra 2014, talohan’ny krismasy, no nialan’i Marc Ravalomanana tao an-drenivohitr’i DIANA niverina teo anivon’ny ankohonany teto an-dreivohitra rehefa nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina “résidence fixe” tany nanomboka tamin’ny 14 oktobra 2014, ny ampitson’ny niverenany an-tanindrazana. Vahoaka maro no efa tonga nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart ny omaly, liana te hahita sy hifampiresaka mivantana aminy. Tanàna nahavitany asa fampandrosoana maro rahateo Antsiranana, ka mahatsiaro sy maniry ny hitohizan’izany ny olona. Tsy ho latsa-danja ny anio sady afaka mampiasa fanamafisam-peo taorian’ny fahanginginana omaly noho ny fanadianana CEPE nataon’ny kilonga madinika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.