Politique

Marc Ravalomanana « Efa vonona izahay »


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Anisan`ireo nahazo fanasana tamin`ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.

Ilaina ny fanohanana ny vondrona iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana, hoy ity filoham-pirenena teo aloha ity ary mila manamafy ny hisian`ny fangaraharana amin`ny fifidianana rehetra. Naneho ny fahavononany hatrany hiara-kiasa sy hanohana an'i Madagasikara i Frantsa. Mahafinaritra ny finiavany. Isika Malagasy koa anefa tokony hiezaka sy hiasa tsara ho fampandrosoana ny firenentsika, hamoha ny hambom-po, mba tsy hiandrasana foana ny hafa. Nohamafisiny ihany koa fa nihaona tamin`ireo masoivoho ireo ny tenany ary vonona hanampy izy ireo fa isika no tompon’andraikitra voalohany. Mila manaja tsara ny lalàmpanorenana sy manaja tsara ny lalàna velona rehetra misy eto amin`ny tany sy ny fanjakana ireo mpisehatra, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Araka izany, efa mivonona amin`ny fiatrehana ny fifidianana ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny mpitarika azy ka ny fanombohana izany dia ny fanomanana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT