Any Mahajanga renivohitr’i Boeny Atoa Marc Ravalomanana nanomboka omaly hariva. Vao maraina dia efa nisomebiseby ireo mpanohana azy tamin’ny fanomanana ny fitsenana azy
Enin-taona sy tapany no niandrasana izao fotoana izao, hoy ireo mpikatroka TIM sy zanak’i dada ao Mahajanga ka rariny sy hitsiny raha mihetsiketsika tahaka izao izahay. I Mahajanga rahateo dia anisan’ireo faritra nahazoan’i Marc Ravalomanana vato betsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2001 sy 2006 ary ahitana ireo fotodrafitra goavana vavolombelon’ny asa nataon’ny fitondrana notarihany tahaka ny masoivohon’ny banky foibe sy ny fanamboarana ny moron-dranomasina ho lasa toeram-pitsangantsanganana mahasarika olona sy mpizahatany maro. Hiatrika ny kongresim-paritra moa ny ao Mahajanga anio. Raha tsy misy ny fiovana dia any Toamasina indray rahampitso alarobia ny filoha nasionalin’ny TIM mialoha ny hiverenany eto Antananarivo ny alakamisy ka hanohanany an-dRamatoa vadiny amin’ny fanombohana ny propagandy ny alakamisy ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.