Fantatra araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanànan’Alasora Marc Ramiarinjatovo fa natolotr’Itpkl Pr Zafy AlberT azy ireo antontan-kevitra maro momba ny Fampihavanam-pirenena, ny Demokrasia ary ny fanorenana ifotony.
“Matetika nantsoin’i Pr Zafy Albert aho, ary nanazavany ny momba ireo ka namafisiny fa tokony ho tohizana ny fanatanterahana sy ny fametrahana azy ireo eto Madagasikara” hoy Atoa Marc Ramiarinjatovo. Tamin`ny fahavelony ny Profesora Zafy Albert no isan`ny nandrafitra ny lalàna momba ny fampihavanana Malagasy ary izy no nitarika ny hoe “Fampihavanam-pirenena”. Araka izany, « Tokony hatao vaindohan-draharaha ny fampihavanam-pirenena sy ny fanorenana ifotony » hoy ity Ben’ny tanàn’Alasora ity araka ny hafatr’Itpkl Pr Zafy Albert taminy. Anisan’ny resaka sy adi-hevitra mandeha amin’izao fotoana izao ny momba fifidianana amin’ity taona 2018 ity. Etsy andaniny koa dia maro ireo mihevitra fa tokony hahemotra izany satria mbola maro ireo zavatra mila halamina sy harindra. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia namoaka ny heviny tokoa ny Ben’ny tanànan’Alasora Marc Ramiarinjatovo, fa tena ilaina ny fanemorana ny fifidianana noho ireto antony ireto : mbola tsy tomombana ny fanomanana eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) na dia ny lisi-pifidianana fotsiny aza izay hiankinan’ny valim-pifidianana. Nambarany fa tsy mahaleo tena ny CENI fa misy olona efa miandany sahady amin’ny kandidà. Etsy andaniny hoy izy ny Governemanta Ntsay Christian dia tsy azo hitokisana satria ireo Minisitra avy amin’ny antoko HVM, TIM, MAPAR dia hampiasa ny volam-panjakana toy ny solika, ny fitaovam-panjakana… ary ny olom-panjakana isan’ambaratongany. Ankoatr’izay hoy izy, efa misy sahady ireo antoko izay manao fampieleza-kevitra mialohan’ny fotoana satria matahotra ny ho tara fiaingana. Ny farany hoy izy dia ny fisian’ny olana ara-pôlitika nanomboka tamin’ny 21 Aprily 2018 farany teo izay hetsika notarihin’ireo Depiote ho an`ny fanovana, ary mbola tsy miato hatramin’izao fa vao maika aza miseho lany etsy sy eroa ny fitakiana. Noho ireo antony efatra ireo hoy i Marc Ramiarinjatovo no antony tokony hanemorana ny fifidianana. Takiany arak’izany ny hanaovana ny “Dialogue National” haingana hiatrehana izao fikorontanana izao ka hiafara amin’ny fanaovan-tsonia ilay fifanarahana ara-politika izay handraisan’ny herivelona rehetra anjara ka aorian’izay vao hatao ireo fifidianana rehetra. Nambarany kosa fa tsy tokony hihoatra ny 18 volana io fe-potoana io ary governemanta tsy miandany amin`iza na “Neutre et Apolitique” no tokony hitondra mandritra izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.