Politique

Marc Ramiaranjatovo “Tsy ajanona fa hahemotra ny fifidianana Filoha”


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Nitondra fanazavana ho an`ny vahoaka tetsy amin`ny kianja mitafon`i Mahamasina mahakasika ny fifidianana sy ny datim-pifidianana ireo antoko politika, sendikà ary ny fiarahamonim-pirenena omaly. Nitarika adihevitra mikasika ny fifidianana hotanterahina eto amin`ny firenena ihany koa.

Mampiteraka ahiahy, hoy izy ireo, ny fangaraharana amin`ny fanatanterahana ny fifidianana eto amin`ny firenena raha ny datim-pifidianana naroson`ny governemanta. Efa ao anatin`ny vanim-potoana ny orana ny 19 desambra raha ny fanazavana nataon`i Marc Ramiaranjatovo. Nihena ihany koa ny fe-potoana hanangonana ny vokatra ka hampananosarotra ny fametrahana ny fangaraharana ary mifanipaka velively amin`ny lalàmpanorenana. Ho an`ireo antoko politika dia tokony ho eritreretina dieny izao ny fanemorana ny datim-pifidianana mba ahafahana ny antoko politika sy ny vahoaka miatrika izany am-pitoniana. Rariny raha hahemotra amin`ny main-tany satria manjary hiteraka krizy indray. Notsindriany ihany koa fa marefo dia marefo ny toedraharaha ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy eto Madagasikara. Antsoina ny hery velona rehetra hiara-kandinika ny amin`ny tokony hatao ny amin`ny fihavanam-pirenena, amin`ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, fijerena akaiky ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, ary indrindra ny fanorenana ifotony. Ireo no teboka mila dinihana maika, hoy ny ben`ny tanànan`i Alasora ary aorian`izay vao manomana fifidianana, hoy hatrany ny fanazavana. Fihaonana natao hanazavana amin`ny vahoaka, ny eo anivon`ny mpitondra, indrindra ny sehatra iraisam-pirenena no tanjona tamin`ity hetsika ity ary samy nitondra hevitra ny mpandray anjara fa hahemotra ny fifidianana ka aleo mifandamina sy mifampiresaka.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT