Mitaky ny hanemorana ny fifidianana amin’ny taona 2019 Atoa Marc Ramiaranjatovo, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora.
Na dia efa mitsangana aza ny governemanta Ntsay Christian dia mbola misy teboka efatra tsy hahafahantsika Malagasy miroso amin’ny fifidianana ihany, hoy izy. Manampy trotraka ny tsy fahatomombanana ara-môraly sy ara-materialy. Ny fihaonamben’ireo hery velona rehetra no tena maika, hoy hatrany izy hahafahana mamoaka ilay fifanarahana politika, amin’izay tsy misy malahelo sy mitaraina intsony fa tsy nandray anjara. Avy amin’ny alalan’io fifanarahana ara-politika io no hahafahana mamoaka datim-pifidianana, ao ihany koa no hahafahana manova ny lalàmpanorenana, hanamboarana ny lalàm-pifidianana….raha tsy lazaina intsony ny fanarenana ifotony amin’ny lafiny rehetra na ny “réfondation totale” izay tena takian’ny Malagasy rehetra. Nomarihiny manokana fa miankina betsaka amin’io fifanarahana ara-politika io ny hoavin’ny firenena. Nampahafantariny tamim-pomba ofisialy ny fiandohan’ny herinandro teo ny fisian’ilay dinik’asa ho fampandrosoana ny firenena izay noketrehiny sy ny antoko Madagasikara Vaovao izay misy azy. Lohahevitra nanokafany izany ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Apokalipsy 2 : 9 manao hoe : “Fantatro ny fahoriana sy ny fahantranao, nefa manan-karena ianao”. Saika voafaritra ao anatin’io dinik’asa io avokoa ny resaka politika, ny fiangonana, ny fampandrosoana, ny toekarena, ny tanora, ny vehivavy, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny varotra, ny harena voajanahary…. izay hahazoan’ny rehetra tombony fa tsy ho an’olon-tokana irery ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.