Politique

Mananjary Nandresy ny kandidŕ natolotry ny RTM


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Vitan-dRandriamanampisoa Gégé Bernard ny fanambiny tany Mananjary tamin’ny fampandaniana ny kandidŕ Dr Modeste notohanany nivantana ka natolotry ny antoko RTM na Réfondation Totale de Madagasikara tarihan’i Dadafara

. Nahazo salan’isam-bato mazava 32 % ny RTM raha 26 % kosa no azon’ny kandidà natolotry ny antoko HVM eo amin’ny fitondrana izay notohanan’ny minisitry ny fiompiana am-perinasa Ramparany Anthelme sy  ireo solombavambahoaka mirahavavy any an-toerana dia ny depiote Cathy sy ny depiote Aurélie. Nampisy resaka tany an-toerana ny hafetsifetsena nitranga tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo sy ny fihetsik’ireo voafidy tamin’izany toerana izany. Nisy akony taty amin’ny voka-pifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay teo izany. Azo antoka fa hanova indray ny tontolo politika miseho ho an’ny tanànan’i Mananjary manomboka eto ity trangan-javatra iray ity raha ny marina.

Paoly : “Izay ilay hoe samy mbola hotsarain’ny karatra eo ihany e !”

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT