Politique

Mamy Raharimanana, kandidan’ny antoko MAEVA Nidina ifotony nijery ireo maharary ny vahoaka teny Andravoahangy


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Andravoahangy omaly alarobia ny kandidan’ny antoko MAdagasikara Endrika VAnona ( MAEVA) tarihin’ny kandida Maminirina Raharimanana.

 
Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny foto-kevitra ijoroany sy ny antoko misy azy ny fijerena ny tontolon’ny fiarahamonina Malagasy tahaka izao, ka anisan’ireny ny tsena. Betsaka mantsy ireo maharary ny vahoaka tsara ho fantatra hahafahana manampy azy ireo, hoy ity kandida ity. Ankoatra izay dia nambarany fa efa mametraka ireo karazana rafitra isan’ambaratongany ny antoko MAEVA ankehitriny. Anisan’ireny ny fametrahana ireo olona eny anivon’ny fokontany, ny kaominina hatrany amin’ny faritra mialoha ny fifidianana. Haharitra roa herinandro eo ho eo ny fihaonany mivantana amin’ireo mponina eto Antananarivo ka tafiditra ao ny eny Atsimondrano eny izay hanaovana fidinana manokana ihany koa amin’ny faran’ny herinandro. Tao anatin’ny fahamendrehana tanteraka moa no nanatanterahan’ity kandida ity izany izay nanamarika manokana fa efa eo am-pikarakarana ireo antontan-taratasy hahafahana milatsaka hofidiana ihany koa ankehitriny.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT