Politique

Malagasy tia tanindrazana Mbola misy antenaina, hoy ny antoko Maitso


  • Alarobia 27 Jona 2018

Raha mbola misy koa ny maitso dia tsy ho foana ny fanantenana, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Alexandre Georget, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fisiana na tsia ireo malagasy tia tanindrazana ankehitriny.

Matoa mbola misy ny tolona, toy ny mitranga etsy Analakely, dia mbola misy ny toky ary mbola misy antenaina ny amin’ny malagasy tia tanindrazana. Ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara isika izao, hoy hatrany izy, saingy ny mampalahelo amin’izao, raha niady ny laharana voalohany amin’ny ho firenena mandroso aty afrika isika ny taona 1972 dia miady ny laharana gisitra ankehitriny. Lasa manjaka ny fandrobana sy ny kolikoly ary ny fanimbana ny harem-pirenena. Ilana fanovana daholo izany, hoy hatrany ny antoko Maitso.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT