Politique

Maka Alphonse “Tsy fotoana iadin-kevitra intsony izao…”


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

“Dimy taona no efa nomena an`ireo mpisehatra politika hanomanana ny fifidianana ka tsy maintsy hampiharina ny lalàmpanorenana”, hoy i Maka Alphonse, filohan`ny komitin`ny fampihavanana Malagasy (CFM).

 Nohamafisiny fa zavatra roa no tsy maintsy tsara faritana. Voalohany, ny fe-potoana manaraka ny lalàmpanorenana satria  vao nanao fianianana ny filoham-pirenena tamin`ny taona 2014 dia efa fantatra fa misy dimy taona hanomanana ny fifidianana. Araka izany, tokony ho efa niomanana izay mpisehatra ara-politika mahasika ny fifandimbiasam-pahefana amin`ny alalan`ny fifidianana. Nisy ireo didy navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC ) izay mandidy ny lalana mizotra mankany amin`ny fifidianana. Tsy fotoana hiadian-kevitra hanaovana na tsia ny fifidianana intsony izao, hoy hatrany ny filohan`ny CFM, ary tsy maintsy hampiharina ireo mpanao politika raha tena vonona hitondra fampandrosoana satria ny taona 2018 dia efa voafaritra fa taonam-pifidianana.  Mahakasika ny fifidianana dia nanamafy ny CENI amin`ny fisian`ny fifanajana amin`ny samy kandidà hifaninanana amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena. Tsy tokony hisy ny fifandrafiana eo amin`ny samy kandidà mialoha sy mandritra ary aorian`ny fampielezan-kevitra. Tokony hanaiky ny voka-pifidianana kosa ny rehetra. Hisy indray moa ny fampiantsoan`ny eo nivon`ny CENI hanaovan`ny solontenan`izay ho kandidà sonia izay fifanarahana izay mba hisorohana ny mety hisian`ny savorovoro manodidina ny fifidianana hotanterahina eto Madagasikara.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT