Politique

Maka Alphonse Andao hosorohana ny krizim-pifidianana


  • Zoma 08 Jona 2018

Mijanona eo ve ny fampihavanam-pirenena satria efa misy ny fifanarahana politika ary hitsangana ny governemanta ?

 Somary adino mantsy izy io, indrindra fa taorian’ny endrika tsy fahombiazana samihafa. Ny zavatra noventesinay hatramin’izay dia ny hoe amin’ny alalan’ny fifampiresahana ihany no ahitana ny vahaolana amin’izao fotoana izao. Iny izao, dia nisy ny fifampiresahana, ka nahazoana ny praiminisitra, ary efa dingana iray iny, hoy ny filohan’ny Filankevitry ny Fampiahavanana Malagasy na ny CFM Maka Alphonse tamin’ny fakana ny heviny. Resaka olana ara-pifidianana noho ny lalàna no niaingan’ny gidragidra teo ka efa milamina ve ireo ? Aminay dia mbola misy zavatra tokony halamina, anisan’izany ny hahafahantsika miatrika fifidianana milamina sy madio, hoy izy. Mila jerena daholo ny zavatra takian’izany ka hahatonga antsika hanaiky ny voka-pifidianana tsy hilazana hoe nangalarana ny hafa na olana hafa. Moa ve ny rafitra misahana ny fifidianana, toy ny CENI mety amintsika ny firafitry ny olona ao anatiny ? Ny hodidina momba ny lalàna hijoroan’ny CENI ve mety amin’ny rehetra ? Ireo no mila jerena, hoy hatrany i Maka Alphonse. Milaza ny hifampiresaka amin’ireo mpisehatra politika manoloana izany ny CFM mba hisorohana ny hoe io fifidianana io indray no hitarika krizy vaovao. Tsy misy resaka intsony ny fampihaonana ireo filoha efatra. Endrika iray hafa indray no hijerena azy, ka ireo mpisehatra ao anatin’ny fifidianana no hifantohana betsaka mba hisorohana amin’ny krizim-pifidianana, hoy ny filohan’ny CFM. Milaza ny hiresaka amin’ny CENI, ny minisiteran’ny atitany, ny primatiora, ary indrindra fa ireo mihevitra ny handray anjara ao anatin’ny fifidianana ny CFM, hoy i Maka Alphonse. Miandry indray ny rehetra hoe ho tratra sa hitsefotra ny tanjona.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT