Nametra-pialana tsy hitondra ny governemanta intsony ny praiminisitra teo aloha Solonandrasana Mahafaly Olivier.
Tao anatin’ny fandeferana noho ny tombontsoam-pirenena no nanatanterahany ny fialany tamin’io toerana io, ny alatsinainy 4 jona 2018. Maro no nidera ny fahendreny. Andro vitsy taorian’ny nandaozany an’i Mahazoarivo anefa dia nanjary ity praiminisitra teo aloha ity indray no ambetin-dresaky ny sasany, ary iharan’ny fandotoana ataon’ny hafa ihany koa sao hono hiverina hitazona ny andraikitry ny minisitry ny Atitany izy. Misy andian’olona manao ho kolontsaina io fanasoketana sy fanaratsiana olona io. Hatreto anefa tsy mbola nandalo fitsarana na koa voaheloka i Mahafaly Olivier, tondroin’ny sasany ho maloto tamin’ny nitazomany io andraikitra io fa toa fanaratsiana atao fotsiny mba hampihemotra ny olona izay mety handray azy indray amin’ny toerana ambony amin’ny fitondrana. Ary ny mivoy izany dia anisan’ireo olona manana antontan-taratsy maloto teto amin’ny firenena avokoa, mila ranondranony amin’ny praiminisitra vaovao Ntsay Christian, mba hakana seza amin’izao fandrafetana ny governemanta vaovao izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.