Politique

Madagasikara Laboratoara politikan’ny vazaha


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Sasatry ny mandamina krizy politika ny firenena Malagasy, saingy tsy tena mivaha hatrany ifotony aloha hatramin’izao matoa mbola niverimberina foana ny korontana politika.

 Tsy mahavaha olana firy isika, fa taingenan’ny vahiny hatrany. Mbola tena mafy ny vazaha eto, ary mibaribary fa izy no mandrindra ny politika tiany hapetraka, fa fitaovana fotsiny ihany ny ankamaroan’ny politisianina Malagasy. Atao toy ny laboratoara fanandramana isak’izay mihetsika, ka handrakandramana avokoa izao politika hafahafa toa manakorontana fa tsy mandamina izao, hany ka tsy misy tanteraka ny programa sy tetikasam-pampandrosoana fa maty an-karanany avokoa. Ny fahantrana miha mitombo sy mahazo vahana ihany. Nandeha ireny ny fifidianana 2013, dia niseho ny didin’ny vazaha fa tsy mahazo milatsaka ireo mpanao politika roa lehibe eto amin’ny firenena dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Tafapetraka teo indray i Hery Rajaonarimampianina noho ny “ni…ni…”, nataon’ny vazaha, ary izao ny vokany aty aoriana. Tsy sanatria tsy fitiavana na fankahalana ireo vahiny, fa kosa tsikaritra ho mbola mandeha sy mibaribary ny politikam-panjakana. Ny vahiny izay efa nanapoizina ny firenena tamin’ny resaka fametrahana fifanarahana politika sy tondrozotra, ary indrindra ny fandrarana olona tsy hirotsaka hofidiana, no lasa dokotera mpandamina sy mpandrindra ny olana politika misy. Ny tsy azo hadinoina dia tsy tian’ny mpanjanaka ny hisian’ny mpitondra tsy azony baikoana, ary anisan’ny nodradradradraina tao anatin’ny tolon’ny fanovana ny hoe aleo halaminay samy Malagasy ny olanay. Tonga tamin’izany ve sa teny midina avy any ivelany hatrany no tsy maintsy narahina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT