Politique

Madagasikara Atahorana ho tafiditra anaty ady saritaka


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Miatomboka amin’ny atao hoe disadisa na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe « turbulence » ny savorovoro ao anaty fiarahamonina iray, raha ny fikarohana nataon’ireo mpahay fanelanelanana na irony « Mediologue » irony.

Rehefa tsy voavaha io dia miakatra amina maripana ambonimbony kokoa na ilay antsoina hoe aditeny (tension). Tao anatin’ireo repoblika nifanesy nanomboka ny 1972 no ho nankaty no niteraka ny antsoina hoe adilahy na krizy izay efa in-4 niainana teto amin’ny firenena izao. Hatreo dia mbola azo heverina fa tsy misy idiran’ny resaka herisetra aloha na fifampikasihan-tanana. Raha mijery ny zava-nisy niha nirongatra tato anaty 4 taona kosa anefa, toy ny zana-poko 2 nifamely voatery nampihavanina tamin’ny alalan’ny famonoana omby tany atsimo tamin’ny herintaona, ny fitsaram-bahoaka mirongatra, ny fifamonoan’ny samy malagasy toy izay nitranga tany Antsakabary sy ny hafa tsy voatanisa dia mampanahy ny fizoran’ny firenena malagasy any amin’ilay dingana faratampony amin’izay resaka savorovoro izay dia ilay antsoina hoe ady atsanga na « conflit déclaré », izany hoe hipoaka tanteraka amin’izay ireo otrik’ady rehetra efa nisy vokatry ny tsy fahazakana ny hamafin’ireo krizy noho izao fidangam-bidim-piainana misondrotra andro aman’alina izao.

Otrik’ady

Ahiana hiotrehan’ny ady toy izany, ohatra, hatraty an-drenivohitra raha mijery ny fifanambakana sy tsy fifampitsinjovan’ny mpiara-monina taratra amin’ny taksibe tsy manaja mpandeha sy ireo mpivarotra mamitaka mpanjifa. Ny zava-misy anefa dia tsy hita manangasanga izay vahaolana fa toa fambolena adim-poko amin’ny alalana fivoizana ny faritra niaviany avy hatrany no toa hita mbola mivoitra ka mahasorena ny maro amin’ny fomba fiasan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CFM. Mbola azo antenaina ve ny mety hahatafavoaka izay fampihavanana tena izy ? Ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT