Nisesisesy ireo masoivoho tonga teny Mahazoarivo tato ho ato. Fahombiazana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Malagasy sy ny firenena Afrika Atsimo tao anatin’izay taona maro izay ary hihamafy izany taorian’ny fahazoan’ny Malagasy praiminisitra vaovao.
Nohamafisin’ny masoivoho Afrika Atsimo Maud Vuyela Dlomo, fa manohana ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ny amin’ny nanendrena ny praiminisitra sy ny nananganana ny governemanta, indrindra ny firosoana amin’ny fifidianana ara-demokratika izay mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ka hiteraka fitoniana maharitra eto Madagasikara. Nahafahan’i Maud Vuyela Dlomo nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fihaonana, indrindra mikasika ny resaka fifidianana. Notsipihiny teto fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy izy ireo, ary manaja ny safidin’ny vahoaka. Manantena i Afrika Atsimo fa hilamina ny savorovoro politika, ka hiverina ny fitoniana. Taty am-pamaranana dia nisaotra sy nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta ny praiminisitra Ntsay Louis Christian, ary indrindra ny fisaorana ny masoivoho Afrika Atsimo amin’ireo fiaraha-miasa maro isan-karazany izay efa misy. Omaly no tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, Ntsay Louis Christian ny masoivoho Afrika Atsimo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.