Politique

Madagasikara Afaka Tsy tokony hirotorotoana ny fifidianana


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Taorian’ny nivoahan’ny daty hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny vondron’ny tanora Madagasikara Afaka, tarihin’ny filohany Andrianjakatiana Johny Paul, ny sabotsy teo.

 
Nambarany fa ny fanovana rafitra sy ny fandaminana ny firenena amin’ny lafiny rehetra aloha izao no tena mahamaika fa tsy ny fifidianana izay tena hirotorotoan’ny fanjakana tokoa. Tsy ekena intsony, hoy i Andrianjakatiana Johny Paul raha ireo olona izay efa nitondra teo aloha ihany no hipetraka eo. Eo an-danin’izay, na inona na inona hataon’ireo kandida sasany mpifaninana  dia mazava fa tsy maintsy ho resin’ny kandidam-panjakana hatrany izy ireo noho ny tetika maty paika efa hampiasain’ireto farany noho izany tsy maintsy tadiavina ny vahaolana. Manana vinam-piarahamonina hahafahana mampandroso an’ i Madagasikara hoenti-miady amin’izany ny Madagasikara Afaka.  Teboka 15 lehibe no voarafitra izay laharam-pahamehana amin’izao olana lalovan’ny firenentsika izao sady azo hitarina mandritra ny fotoana maharitra. Anisan’ireny ny famerenana ny filaminam-bahoaka faran’izay haingana, ny fananganana vondron-kery manokana hisahana ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra rehetra ahitana ny polisy, ny zandary ary ny tafika Malagasy. Tafiditra ao ny famerenana ny hasin’ny foloalindahy Malagasy. Hohamoraina ny fanomezana tany ireo tantsaha Malagasy izay mihoatra ny 80 % ankehitriny sady vatsiana fitaovana ihany koa izy ireo. Sokafana ny banky fampandrosoana ny Malagasy ho fanampiana ireo tantsaha mpiompy, tohanana ihany koa ireo tanora maniry hanangana orinasa  madinika. Jerena izay famoronan’asa azo hatao eto Madagasikara, havaozina sy hatsaraina ny rafi-pampianarana; haato ny fivarotana tany amin’ny vahiny sy ny fitrandrahana ny harem-pirenena tsy ara-drariny.Mikasika ny lafiny politika moa dia takian’izy ireo ny fanovana rafitra sy hanadiovana ny tontolo politika eto amintsika. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra vonona ny hifanome tanana aminy ny Madagasikara Afaka toy ireo teknisianina, ny avara-pianarana, ny tanora, ny vovonana, ny fikambanana, ny ONG izay mitovy fomba fijery aminy hahafahana manatanteraka ity vinam-piarahamonina navoakany ity. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny fisian’ny vondron’ny tanora Madagasikara Afaka sy ireo vinany hoenti-mampandroso ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT