Politique

Madagasikara Afaka Hanangon-tsonia handavana ny fifidianana kitoatoa


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena ho an’ny vondron’ny tanora eo anivon’ny Madagasikara Afaka, tarihin’Andrianjakatiana Johny Paul.

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana, hanjakan’ny vahiny ny tany sy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, potehina ny orinasa Malagasy, voahosihosy ny hasin’ny foloalindahy. Manoloana ireo tranga ireo dia nanatanteraka fihaonana tamin’ireo antoko politika, fikambanana, mpanao gazety mitovy fomba fijery aminy ny Madagasikara Afaka ny sabotsy teo. Fantatra fa tsy hipetra-potsiny intsony izy ireo ho fanavotana ny firenena. Hisy ny fanangonan-tsonia hotanterahiny ato ho ato hanaovany fifanekena amin’ny vahoaka fa tsy azo ekena ny hisian’ny fifidianana raha tsy voaova avokoa ireo rafitra misy eto amin’ny firenena toy ny lalàm-pifidianana, ny lalàn’ny fananan-tany izay mampijaly ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny vahiny amin’ny toerany fa tsy avela hanjakazaka intsony. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny mikasika ireo mpitondra efa nitondra teo aloha izay  takian’ny Madagasikara Afaka ny tsy handraisany anjara intsony sy ireo mpikarakara fifidianana izay tokony ho olom-baovao sy madio avokoa, hisian’ny fifidianana mangarahara eken’ny rehetra. Tanjon’ny fikambanana moa ny hanovana an’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra tsy hobaikon’ny mpamatsy vola sy ireo teratany vahiny intsony fa  mba tena ho afaka tokoa ireo mponina ao aminy

 Pati sy Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT