Ho valin’ny fitarainan’ny olona amin’ireo tsy fahatomombanana maro samihafa miseho amin’ny fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanàna dia nanambara ny praiminisitra Ravelonarivo Jean fa tokony hiandry ny fizotry ny fifidianana sy ny vokatra aloha vao mba manome fanakianana
. Raha ho an’ny lehiben’ny governemanta izany dia tsy tokony ho olana ny bileta efa misy famantarana miparitaka sy ny lehiben’ny fokontany manao fampielezan-kevitra satria mety tsy hanova zavatra firy na mety tsy ho antony hikorontanana. Etsy ankilany koa ireo kara-pifidianana izay tsy nisy nampiasa eny anivon’ny fonkotany nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Ny tena mampametra-panotaniana kosa anefa dia ity : ahoana izany ny momba ireo kandida nahafeno fepetra amin’ny taratasy filatsahan-ko fidiana kanefa tsy tafiditra ao anaty bileta tokana na ny sary famantarana momba ny antokony na fikambananany na koa ny anarany.
Lisitra tsy milamina
Taorian’ny fanadihadiana natao ihany koa no nahafantarana fa misy anarana kandida miisa 76 izay miverina in-2 fara fahakeliny miaraka amin’ny antokony kanefa milatsaka amin’ny toerana samihafa. Mety ho tanim-boanjo ny anarana kanefa dia mahagaga fa ilay antoko misy azy tsy misy diso na mifamadika mihitsy .Eo amin’ny lisitry ny kandida izay 7000 mahery kely fotsiny aza dia izany sahady no zava-miseho eny anivon’ny CENI-T ka ahoana no ahazoana antoka ny fahamarinan’ny lisitry ny mpifidy izay ahitana olona aman’aliny isaky ny birao fandatsaham-bato. Dia mbola tsy tokony hanaitra ihany ve izany atoa praiminisitra ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.