Faritra maro eto amin’ny Nosy no andrenesana fanamarihana mikasika ny lisi-pifidianana hampiasaina mandritra ny fifidianana kaominaly hatao ny 31 jolay 2015.
Ny amin’ny lisitra fanampiny, nampidirana ireo mpifidy vaovao tonga taona, taorian’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 no maha be resaka. Fokontany iray etsy Ambohimanarina, Boriborintany faha-6 ohatra dia manamarika ny mpiandraikitra ao fa 20% amin’ireo mpifidy vaovao no hany tafiditra anaty lisi-pifidianana. Ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava, renivohitr’i Faritra Menabe dia nisy zato mahery isam-pokontany ireo mpifidy vaovao nefa zara raha nisy 10% amin’ireo no tafiditra, ka mampametra-panontaniana ny maro hoe nosivanina ve ireo mpifidy nampidirina ao anaty lisi-pifidianana no betsaka ireo tsy tafiditra, nefa ity no hany fifidianana makaiky ny vahoaka indrindra mba nokaisan’ny maro handraisana anjara. Betsaka anefa no diso fanantenana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.