Ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Humaniste écologiste, izay tarihin’ny mpamakafaka politika, Toavina Ralambomahay, no tena lohandohany tamin’ny fitakiana ny fametrahana ny lehiben’ny mpanohitra ho eo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoan’androny saingy nangina tanteraka ny tenany ankehitriny.
Vaovao farany mikasika izay resaka lehiben’ny mpanohitra izay ny fitsanganan’ny rafitra iombonan’ireo mihevitra azy ho mpanohitra ara-dalàna hitakiana izany tarihin’ny filohan’ny antoko TAMAMI, Samihary Floriot, ny herinandro lasa teo. Raha ny hevitra nambaran’ity farany dia mbola mitaky ny hametrahana izany izy ireo kanefa ny mahagaga dia tsy hita ihany izay tena paikady mahomby taratra ataon’ireto milaza azy ho mpanohitra ireto hahatongavana amin’izany amin’izao efa-bolana tsy ahatongavan’ny fifidianana izao. Miteny ilay filoha hoe sambany amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao izany isika no hanantotosa fifidianana tsy hisy dian-tanana mpanohitra saingy tsy hita hatreto ilay hery enti-manohitra mahomby avy amin’izy ireo. Ny zava-misy ankehitriny aza dia vao mainka takona tanteraka ity resaka lehiben’ny mpanohitra ity. Tsy mba afaka ny haka filamatra ny nosy rahavavy maorisianina koa ve ny firenentsika raha mahita ny hetsi-panoherana mafy dia mafy any amin’izy ireo kanefa ny asa fampandrosoana koa mandeha araka ny tokony ho izy ihany any an-toerana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.