Nisafidy ny hamonjy ny eny ambany tanŕna sy ireo faritra heveriny ho maro vahoaka sahirana i Lalatiana Ravololomanana,
kandida ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izay natolotry ny vondron’ny mpanohitra. Anatihazo Isotry , Anosizato Atsinanana sy ny manodidina. « Manan-karena ny firenentsika hoy ity kandidan’ny mpanohitra ity saingy ny fomba fitsinjarana azy no misy tsy mety sy misy fiangarana ka izany no mahabetsaka ny sahirana » hoy ny nambarany. Mba ho fanarenana ny tsy mety sy hitondrana feo manitsy ny lalàna diso izay alehan’ny fitondrana dia miantso ny mpifidy i Lalatiana Ravololomanana handatsaka ny vaton’ny mpanohitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.